Lalànan-janahary, lalànan'ny fiaraha-monina, lalànam-pirenena"...

From: R haj <rhaj@...>
Date: 2012/9/26
Subject: RE: [serasera] le Serment d'allégeance pour les présidents, les juges et le personnel militaire, et le Code de conduite des Marines des Etats-Unis D’Amérique
To: Rary <rary@...>, joss rafa <rafajoss@...>, "nosintsika-owner@..." <nosintsika-owner@...>, "nosintsika@..." <nosintsika@...>, serasera malagasy <serasera@...>

manahoana

Ny @ "lalànan-janahary" ... io aloha raha vao miditra @ resaka "fivavahana" dia, raha ny fahitako azy hatrany, dia samy manana ny azy ny olona, ary koa samy manao "interpretation" ny "an'azy" araka izay mampetimety ny eo anoloany ao, nefa dia samy miziriziry @ heviny ao, ka dia aleoko, raha izaho manokana, dia mihatakataka fotsiny. Fa ilay fijerin'i Obama ihany no reviko: 1- amour universelle (fa tsy hoe ny ahy vs. ny anao), 2- izay positive mitondra amina action positive, win-win, resahina, 3-ataovy inspiration, nefa amafiso @ lozika-siansa-sosiolozia-tantara-...

 Ny @ "lalànan'ny fiaraha-monina" dia, ao angamba no ifampitadiavana lava ny @ilay hoe "Malagasy fomba sy kolotora" (originel). Lalàna tsy voasoratra io, raha ny fahazoako azy, nefa ifanajana. Miresaka lalàna tsy voasoratra, fa misy dia manararaotra ilay hevitra, dia mampiditra lalàna mivilana, sahala @ ilay hoe "merina/tanindrana rahefa hoe prezida no resahina" : amiko TSY "lalànan'ny fiaraha-monina" io, na hoe "fomba gasy", fa dia famitaham-bahoaka ataon'ny mpanao polifika fotsiny.

Fa miombo-kevitra @ Ranjeva aho, raha ilay (tsy fanajana ny) "lalànam-pirenena" no tena olana any Mada (indrindra koa @izao krizy izao). Ary ny fanajana an'io, miaraka @ principes et valeurs et droits et lois universels, no mila (ezahina) apetraka foana (@izay), na dia mbola vao eo ampamboarana ny lalana mitondra @ izany fisian'ny fanajana ny "lalànam-pirenena" (Etat de droit) izany aza.

Ny tiako lazaina hoe, izay atao rehetra dia ijerena an'izany:
- ohatra, ny ho Fifidianana: manaja ilay principe/loi/droit/... universel ve ny (ho) atao, manomboka @ "eo ampikarakarana izany" ka h@ farany?
- ohatra, io fanenjehana dahalo any atsimo io: manaja ilay principe/loi/droit/... universel ve ny atao ao?

mandrapireaska

haja(canada)