Fa maninona no SADC.. ary naninona i Maman?

Ity lahatsoratra ity dia nalefa tao amin'ny Serasera

Raha ny fahazoako azy, rahefa misy ny krizy politika, dia miezaka ny ONU ny hanome izay fikambanana rezionaly ao, hamaha ny krizy rezionaly ao, raha toa ka tsy henjanaBE ho an'ny maro ny raharaha.



1- Ny fanonganam-panjakana dia krizy. Manana adidy ny mirotsaka ny ONU, satria tsy tan-dalàna ny tompom-pahefana, na ireo mpandroba fahefana no marimarina kokoa, ary tsy nanaja ny teny/sonia nifanomezana. Ny eo an-toerana (indrindra ny mpanohitra) dia TSY ho afa-manoatra : manana adidy ny avy aty ivelany hanery (na mi-negocier) ireo tsy tan-dalàna hampanajana ny zo sy lalàna.

2- Ny SADC no fikambanana rezionaly akaiky, ary izy no voatendry. Jereo tsara fa TSY ny COI, TSY ny Francophonie, ary TSY i Senegal (tahaka t@ 2002), tsy ny casques bleus, ary TSY ny puissance coloniale taloha no mpanelanelana. Ny GIC dia manampy ny fikambanana rezionaly.

3- Ny hotr'i Egypte, dia "henjanaBE" ho an'ny .... maro ny raharaha. Ny nidiran'i Frantsa tany Mali, dia coupe soroka avy t@ Maman, fa ny hafa dia tsy tia ny hiditra mihintsy (i Kanada dia nihisatrabe mihintsy izay vao nanaiky iny coupe soroka iny). Ny savoritaka any Amerika latina dia ... satria henjanaBE ho an'ny sasany. Raha ny fijeriko, tokony tsisy hidirantsika izany, ary tsy mila ho rahirahiana akoriny.


Ka raha ny fijeriko azy, zara aza tsy "henjanaBE" ny fahitan'ny maro ny raharaha ao Mada; ary dia saika nandeha t@ ara-dalAna ny raharaha.

Saingy indrisy, i Maman no mahita hoe tena an'azy io, ary an'azy rahateo koa moa ireo tsy tan-dalàna, ka dia io misavoritaka io isika rehetra. Ary voaresiny lahatra, na koa aza hoe "voavidiny", ireo mpanelanelana. Efa midogaga ny mpandinika rehetra hoe, inona foana no mantsamantsanan'i Maman @ io, nefa dia manohy mamely foana i Maman, na mivantana, @ resaka eraky ny gazety, na ankolaka (hivereno jerena indray wikileak)

No comments:

Post a Comment