Fifidianana ho Filoham-pirenena : Hery vs. Jean-Louis

Nalefa tatsy amin'ny Forum Serasera


Ny fahitako an'i Hery dia efa napetrako teto:
http://gasy-mkm.blogspot.ca/2013/09/hery.html

@ maha-minfin azy, dia izy izany no nitantana ny volam-panjakana tao:
   - mahalala tsara hoe ahoana ny tarehi-marika, avy aiza sy mankaiza ny vola...
   - manapaka hoe amena (debloquer) sa ahena ny anjaran'ny tsirairay
   - izy koa (isan'ny)  manao fifanarahana @ hafa...

Izany hoe i Hery izany no (isan'ny) tompon'andraikitra akaiky, miaraka @ireo mpanongam-panjakana, @ izao fandehan-javatra izao = fahantrana lalina sy fahapotehin'ny fiainam-pirenena sy ny fiainan'ny isam-batan'olona. Raha hoe "tsy tompon'andraikitra" izy @ izany, dia vao mainka loza : i Hery izany mpanompo mahafatra-po ny tompon'andraikitry izao fahantrana manjo ny malagasy izao.



Fanampin'izany, dia @ maha-auditeur (na hoe ny kabine-ny no auditeur) an'i Total, nefa min-fin koa izy @ io, dia :
   - olona mahalala ny lakozia maloton'i Total i Hery
   - olona tsy azo(ko) atokisana ny fahamarinany sy fahitsiany : tsy misy conflit d'interet ve ny fanaovana an'izany?

Ary ny farany : tsy mipi-maso i Hery rahefa mivoaka eraky ny gazety (h@ RFI) fa ny vola ampiasainy t@ propagandy teo dia efa mitentina 30 Millions Euros. Avy aiza izany ?? Mahavita midohika ary manao beloha sy bemarenina izy milaza hoe TSY hilaza ny fihavian'io vola, ary izany dia tsisy henatra.

Ka fehiny :
- sady (isan'ny) nampahantra ny gasy ilay rangahy,
- no taratra (na taratro) fa vao mainka koa hampahantra ny gasy,
- ary olona "voavidy" izy, hanompo ny nanome vola azy
- fa indrindra koa, olona tsy manana fahitsiana sy fahamarinam-po izy.
ka dia tena TSY leviko mihintsy izany, na inona na inona, ary na iza na iza no hifanandrina azy (indrindra moa fa ny mampahazo ny Frantsay koa no tena ataony).


Ny fahitako an'i Jean-Louis indray dia :
- t@ ireny Zaraniaina sy ny fanafana ny SIDA hitany t@ ireny, dia raha tsy diso aho, raha ny fitadidiko, dia i J.-L. no voatondro hoe nanilika an'i Zaraniaina. Ny fahatsapako dia, t@ ireny izany, dia izy dia (isan'ny) ilay antsoina hoe hawk ireny (hawk vs. dove).
- dia ny malaza koa dia hoe izy dia citoyen frantsay. Raha ny @io indray dia efa nolazaiko teto. Aty Kanada, dia nisy ilay rangahy, Stephane Dion, ny reniny dia frantsay, ary izy izany dia citoyen francais; nilatsaka ho sefon'ny antoko Liberal izy, fa dia ni-renoncer-ny ny citoyennete frantsay-ny. Izay no iriko ataon'i Jean-Louis.

Ankoatr'izany, dia toa nahavita ny tokony (na azony) nataony hono izy (izaho tsy nanaraka) t@ naha-min-sante azy. Tsy nifanisina t@ mpanongam-panjakana izy. Ary ny reko, dia nahakarakara (organiser) ny Antoko Avana an'azy koa izy.


Ka raha ny hevitro dia :  FIDIO I JEAN-LOUIS ROBINSON.

No comments:

Post a Comment