Hevi-dravina...

Nalefa tatsy amin'ny Forum Serasera

Vao niresaka tamina gasy avy Mada aho t@ herinandro. Dia hoe... aza mba minomino izay rapport, sy koa izay resaka mivoaka eraky ny internet, fa tsy mahalala ny zava-misy akoriny ireny fa... Ny tiany lazaina, na ny fahazoako azy, dia "hevi-dravina" no betsaka mivoaka eny.

Dia hoy aho hoe, TSIA, fa arakaraka io. Safidio ny vakianao.



1- ny efa manana ny "standard" no vakianao. Ohatra, raha te-hikefona ovy ianao, dia fantatrao ny hatsaran'ny an'i MacDo (fa tsy ilay resto etsy ankelakelantrano). Raha misy loza voajanahary, dia fantatrao ny fataon'ny Vokovoko Mena (fa tsy ilay gasy etsy ankelakelantrano). Raha resaka zon'olombelona, Amnesty International, ny ekonomia, vakio ny an'ny BM sy iretsy fondation isan-karazany (fa tsy i Jeannot-Madagate na Frank-LGDI etsy...)

2- ny efa manana "standard" dia tsy manoratsoratra antendron'orona, fa misy "references", misy "citations" ary misy "chiffres" ny azy, ary ianao mamaky an'ireo rehetra ireo, dia afaka tonga, sahala amin'azy, @ fehin-kevitra mitovy.

Dia ohatra koa izao, ny itokisako koa, dia ireo ao @ wikileak
- ny mpanoratra (Niels) dia manana ilay "standard"; efa toa scientific paper mihintsy indraidray ny rapport; ary miavaka tsara ny zava-misy (realite) sy ny heviny (opinion-ny)
- ny resaka dia tsy miolakolaka (diplaomatika) ary izay zava-misy avoakany eo no ifotoran'ny fanapahan-kevitry ny lehibeny (resaka tokony tsy ho hitantsika akoriny ireo... izany no maha-grave ho an'ny tompon'andraikitra ambony ao ny nataon'i Snowden io)



ka ahoana...  "you must be the change you wish to see in the world"..

Atomboka eto ny tsy mamoaka hevi-dravina.. miara-mianatra eto isika ary ampio, ampifamenoy, ny resantsika eto.. ary azo ampiharina @ resaka politika mafana izao izany.

No comments:

Post a Comment