Hoe ry Bekintana ...

Nalefa tatsy amin'ny Forum Serasera

Dia mbola mahita foana aho soratra na vava miventy hoe imperialisma imperialisma izay rehetra ataon'ny Bekintana. Izao no fomba fijeriko azy.

T@ ireny 2009 ireny, dia nivory ny amerikana tao Mada. Top secret ny tatitra nalefa miakatra. (mila tadiaviko indray ilay wikileak fa averiko eto aloha ny tadidiko an-kandrina). Dia hoe : inona ny "interet US" @ izao toe-draharaha izao. Dia ny valiny dia hoe:
1- ny "securite" an'ny olompirenena amerikana any.
2- ny fahalalahan'ny fivezivezena sy fifanakalozana (ara-barotra sy fihariana)
Izany hoe raha milamina ny tany, manaraka ny lalAna ny tontolo malagasy, dia izay no "interet US" ao Mada ao.

Ny @ ilay ara-barotra sy fihariana, dia raha ny fahazoako azy, dia TSISY "interet US direct", satria ny kompania rehetra izao efa "multinationale" (ny investisseurs tompon'ny stock efa mety misy gasy koa).
Marina fa i Exxon ohatra dia any Texas ny foibeny. Fa kosa efa hafa izao ny tontolon'ny ekonomia sy justice. "Le monde a changE", hoy Obama izay.
Ohatra. Aty Kanada, dia noenjehin'ny Justice kanadiana i SNC Lavallin satria nanome tsolotra ny tompon'andraikim-panjakana tany Bangla-desh izy teo. Tao US, dia noenjehin'ny Justice amerikana i Gibson satria mbola mampiasa rosewood gasy na dia voararan'ny lalAna aza izany.

Ka raha ny fijeriko azy, dia efa tsisy intsony izao ilay tsindry aloka toy ny taloha (70s), ka hoe, io ry Andriamahazo sy Rakotomalala, nareo mba americanophile ihany, fa mba avelao mahazo ny kompania amerikana, dia avelao Imerintsiatosika, dia aza manao bevava manohana an'i Viet-nam ianareo, fa takalony dia mba ampazahoanay koa nareo (mbola wikileak hitako io).

Fa izao kosa anefa. Raha izany ny aty Amerika avaratra (US sy Kanada), dia TSY izay ny any an-kafa.

I Sina izao dia hafa ny fiasany. Napetrako teto ilay analizin'olona
http://gasy-mkm.blogspot.ca/2013/09/dossier-analysis-behind-chinas-aid.html
Ny fahazoako an'io, dia ny kompania dia kompania Sinoa, national. Ary ny fitondrana Sinoa dia manome raha mahazo koa ny kompania nationaly Sinoa. Tsy tena rahirahian'ny Sinoa raha tsy milamina ny tany fa rahefa mamango ny azy dia mety (jereo ny ataony eran'ny Afrika). Miresaka Sinoa aho eto fa, raha izaho manokana, dia TSY mahatoky Sinoa, fa raha ny fahatsapako azy, dia izy Sinoa dia TSY hisahiran-tsaina raha tsy manara-dalAna ny ataony (ara-tontolo iainana sns... ankoatry ny tsolotra sy cheating hafa isan-karazany).. satria ny Justice Sinoa tsy handeha hanagam-bovona @izany.

Dia manitatra aho. Toratorak'izay koa ny Frantsay. I Total sy Bolloree dia kompania frantsay, ary manana an'i Robert Bourgi ireo hiaro ny tombotsoany, fony Sarkozy.


Ankoatr'izay, dia izaho dia tia an'i Obama. Raha ny fahatsapako azy, dia tena akaikin'ny malemy/sahirana/voatsindry sy ny hotr'antsika i Obama. Fa kosa, ny masinina amerikana efa ngezabe, ka tsy dia afa-manoatra izy. Compromis ny politika. Fa rehefa manao kosa izy dia ... I love u, man.
- vao voan'ny fanonganam-panjakana iny ny gasy, dia izy no nijoro, @ ilay hoe "The United States looks forward to the day when Madagascar can again celebrate not only independence, but democracy as well."
- ary tsy nilefitra izy, sady narahiny koa io ny lalAna amerikana, fa notapahiny ny AGOA
- ary h@ vao vita fifidianana teo, dia mbola nanipika ny amerikana fa TSY mankatoa (mi-reconnaitre) an'io Fitondrana teteza-mita (mpanongam-panjakana) io.


/ / / / /

tohizako kely ity..

nisy fanontaniana (an'i Dina izy teo) ary averimberin'i Rajaona ataony dridran-gilo, ilay nolazain'i Niels (hoe ni-demissionne i Ra8 ary tsy nahita basy/miaramila izy).

Raha ny fahazoako azy, dia IZAY no hitan'i Niels t@ IZAY fotoana izay, ary IZAY lazainy izay.

Ohatra. i Walter Estrada. I Walter dia ilay mpaka sary, namoaka sary t@ ilay fitifirana tetsy Ambohitsorohitra, ary nahazo prix noho izay. IZAY no hitan'ny fakan-tsariny dia navoakany. Nampiresahiko avy tatsy @ Facebook-ny i Walter talohan'ny nahazoany ny prix-ny. Hoy aho taminy hoe, hitanao (sary) koa ve ireo diam-bala, mety teny @ rindrin-trano sy teny @ poteau, ka mazavabe fa TSY avy any Ambohitsorohitra ny basy namely an'izany? dia kepoka teo ingahy. Nampitaiko taminy ilay youtube (izay tsy hitako intsony izao) nisy ramatoa nilaza fa voan'ny bala ny tolanam-baravarankeliny, sy ilay sary misy diam-bala tetsy @ PSM taloha izy teo. Dia teo izy vao niteny hoe, ka ilay Rajoelina koa aloha tsy tiako e. LAche.

Dia torak'izany koa ilay reportazin'i BBC taoriana kelin'ny fanonganam-panjakana. Fakan-tsary avy ao Ambohitsorohitra. Nirefotra ny bala. Dia mbola nirefotra ihany. Dia ilay nampanontanian'ilay mpanao gazety i ranamana Ralijaona (ilay mpitondra teny faran'i Ra8), dia tsy nanan-kambara ilehio. IZAY no hitan'i BBC, t@ IZAY fotoana izay, ary dia IZAY avoakany izay. Fa ahoana kosa anefa ilay sary taty aoriana, nisy diam-bala tetsy @ fefin'i Ambohitsorohitra, ary tsy afaky ny hanao demi-tour ny bala avy atsy anaty lapa ka hipetaka teo?


Dia averiko ho an'i Dina : IZAY no hitan'i Niels t@ IZAY fotoana izay, ary IZAY lazainy izay.

Fa izao kosa... diniho tsara.

Maninona ny amerikana (na hoe i Obama) taorian'IZAY :
- vao voan'ny fanonganam-panjakana iny ny gasy, dia izy no nijoro, @ ilay hoe "The United States looks forward to the day when Madagascar can again celebrate not only independence, but democracy as well."
- ary tsy nilefitra izy, sady narahiny koa io ny lalAna amerikana, fa notapahiny ny AGOA
- ary h@ vao vita fifidianana teo, dia mbola nanipika ny amerikana fa TSY mankatoa (mi-reconnaitre) an'io Fitondrana teteza-mita (mpanongam-panjakana) io.



/ / / / /


Tena mampalahelo, ary tena marary mihintsy ny foko, fa opportunitE ngezabe io (AGOA, MCA) fa very maina fotsiny. Very maina satria noravana antsitra-po, nampirisihin'i Maman ary notohanan'ny intelektoaly sy mpanao afera tia Maman. Ny gauchiste tetsy teo dia mpanatsatso fa tsy mahita hoe WIN-WIN SITUATION anie azo sintomina avy @io AGOA/MCA io. Isika tafavoaka @ fahantrana, ny bekintana faly fa mahatafavoaka firenena. Ary rehefa tafavoaka @ fahantrana iilay firenena, in the big picture, dia mandray anjara @ fifanakalozana/varotra, lasa client/fournisseur an'i bekintana, mitombo ny tolotra, mihena ny vidin-javatra ary tsy maintsy tsaratsara kokoa ny entana.

Ny fahatsapako azy, dia betsaka ny Amerikana TIA an'i Mada.
- Tsy hilaza ilay film sy series Madagascar fotsiny aho, fa na hoe ilay emission @ tele miaraka @ brother Kratt, Be the Creature, sy koa i Zoboomafoo
- fa ny any @ Oniversity, ireo mikajy ny tontolo iainana sy ireo tia ny natiora (lemur sy hafa),
- ny fiangonana sy ireo mpanao asa soa,
- dia ny entana gasy koa tian'olona,
- dia ireo Peace Corp mankany; jereo anie fa misy foana article/blog mpianatra amerikana mankany dia faly foana mitantara, maneho fitia an'i Mada sy ny Malagasy..
dia ny mahavariana ahy, fa dia tena TIA tokoany anie rizareo, ary mianatra ny teny gasy... Ary "mino" aho fa "faly ary tena faly" rizareo amerikana raha mba tafita ny gasy.

Vao omaly aho izao nahita t@ tele taty indray.. mitsangatsangana @ iny atsinanana iny rizareo, miakatra any Maroantsetra hatrany Mananara.. dia maka sary ny halozan'ny lalana.. dia mifandray mifampiresaka @ olona.. dia tsapako hoe, dia tena feno fitiavana ny fifandraisana..

Anaty fonosana, fa asa nareo ao ry Rajaona sy ry Marozara raha mankafia ny "fitiavan'i Maman" anareo ao.. izay olona miresaka amiko, na ao FR ao na any Mada, dia tena rikoriko fa tsy afa-manoatra.. Izaho aty aloha dia faly ary tena faly fa tsy mahakasika ny volon'ny ankihikelin-tongotro intsony izany.


Dia ny Repoblikana koa no tena manohana.. Ny Repoblikana moa hono rehefa manohana dia ciblE ny azy. Fa izao ny Demokraty dia pro-mahantra kokoa.. tena mino aho fa tokony nahazo roa isika raha nitohy teo i Ra8 (ny namen'ny Rep efa eo ihany, fa ampian'ny Dem).

Fa mino aho fa raha sanatria i Hery no ho eo, dia mbola hangatsiaka ny Amerikana; tsy adala akory izy ka tsy ahalala hoe, (naman'ireo) jiolahim-boto niaraka, na akory aza tompon'andraikitry ny fahantrana sy fahapotehina be io Hery io. Sady efa hita mazava fa OLOM-BOAVIDY i Hery Rajaonarimampianina.


Rahefa i Jean-Louis no eo, dia tena mino aho fa hisokatra ny Amerikana ary, mba faniriana ny ahy, ho averina ary ho tohizana ilay ezaka lehibe teo hamoahana antsika @ fahantrana.

No comments:

Post a Comment