Ho an'ireo Mpomba an'i Hery R (sy ny TGVistes)

Inty lahatsoratra ity dia nalefa tao @ Forum Serasera 1 2 (dia nahitsy kely) 

Dia tsoriko ny ahy fa raha izaho manokana dia tena aleoko mihintsy hisy sakorokabe manadala indray fa tena tsy zakan'ny saiko sy ny foko aman'eritreritro mihintsy ny legalisation-n'ny revy jiolahim-boto io...
Raha legalisE io, dia tsy haiko, fa dia hipetraka kely haka saina angamba aho, ary dia efa mankahery anareo rehetra. Ilay fahapotehina ekonomika (sy tontolo iainana ary sosialy) eo ihany, ny perspective economique ratsy eo koa, fa ilay foto-pisainana sy fomba fiaina manapotika ny maha-olona mihintsy no tena tsy tantiko.

Fa omaly aho nahita t@ PBS fandaharana momban-drizareo Koreana Tavaratra. Dia lasa ny eritreritro. Ilay fahantrana ara-materialy sy ara-piainana intelektoaly sns dia tena mazana, nefa ilay fidinginan'ireo jiolahimboto mameno ny tany. Toa tsy mifanalavitra @ izany ny any Mada...

Dia lasa tany @ Aung Suu Kyi any Birmanie koa ny eritreritro. Nanaiky ny valin'ny fifidianana halatra nataon'ireo mpanongam-panjakana izy, ary dia nirotsaka ho opposition officielle.. dia ahoana nefa izao? hotry ny hoe dia nahazo ny absolution ry jiolahimboto t@ ratsy nataony teo, ary mihaminkamina ry jiolahimboto dia mitohy ny ratsy ataony???

Fa dia ... amiko aloha dia izay.. raha tsy voadaka izao eo ireo jiolahimboto ireo, dia ..

mandrapiresaak

/ / /

ny @ Ra8... ity moa nifandroritana ary mbola hifandroritana eto foana, fa dia aleoko koa apetrako mazava ny ahy.

1- Ny eran-tany dia mirehareha (fier) @ zanany izay mahatsangana fleuron-na indostria. Ny aty Kanada ohatra, dia ny fiarovan'ny Provansin'i Quebec, ny fanomezany tombo-tsoa (tax break sy avantage isan-karazany) an'i Quebecor sy Bombardier dia mampiteny ny moana, na ankavia na ankavanana @io ny gvt. Isika malagasy tokony nirehareha nanana an-dRa8 nahatsangana an'i Tiko.

Fa ny anareo moa dia hoe, aleo potehina izany fleuron izany. Dia inona anefa no natolotrareo izay 5 taona izay? Tsy misy. I Edgard nikamenona ny @ Kobama-ny aza toa tsy nahavita. (ny fahazoako ny Kobama-n'i Edgard, dia efa tsy mahomby ny azy fa zara aza i Ra8 atao excuse. Izao hita fa tsy mahavita akoriny i Edgard)


2- Ny eran-tany dia mikezaka ny hanao fihariana @ secteur primaire sy secondaire koa. Isika malagasy dia tokony nirehareha fa manana an'i Tiko mirotsaka @izany.

Fa ny anareo moa dia hoe, aleo potehina izany. Dia inona anefa no atolotrareo? Ry karana izay manao any @ tertiaire. Nanangana ozinina manao sigara ilay anankiray dia efa propagandy be. Dia ny bizn koa ny anareo, ohatra i Pety, dia ny manera vary sy ny mivarotra bois de rose.


3- Ny mpandraharaha (entrepreneur) eran-tany, rahefa mandeha ny bizn, dia mi-re-investir. Izay toe-tsaina (tsara) izay dia fototry ny fiharian-karena matanjaka. Isika Malagasy tokony nirehareha fa nanana an-dRa8 nampivoitra izany.

Fa ny anareo moa dia hoe, aleo potehina. Vao mahazo vola ianareo, dia tsy mi-reinvestir nareo fa tranobe hatrany Maorisy, ny akanjo raitra ary 4x4 no mahamaika anareo. Ka ilay vola tsinona tsy azo avy t@ fandraharahana ka dia mazava ho azy (amiko) fa tsy ao mihintsy ilay toe-tsaina (hi-re-investir).


Ka asa raha azonao ny mahalikiliky ahy fa hoe tena NOPOTEHINAREO ilay toe-tsaina fototra (tsara) maha-olona..

/ / /

Lavabe ny menomenona @ilay Air Force 1.. OK: hoatrinona izy iny? 60M$? sa 300M$ ny Boeing 737 vaovao dia 76M$. Fa avy eo moa, namidinareo hoatrinona izy teo?

Dia izao indray nefa : i Hery-30millions dia nanana budget-na 30Million Euros, izany hoe 46M$, nafafy t@ propagandy (jereo reference [1] etsy ambany).
30M Euros = 46M $ = 91.459M Ariary = 91,5 Milliards Ariary
Dia jereo ohatra ny trosam-pirenena etsy ambany [2]. Ny principal dia 164,9 milliards ariary

NY ANTSASANY MAHERY NY TROSABE MITATAO AMBONY LOHAN'NY MALAGASY TSY MAINTSY ALOA ISAN-TAONA DIA NAFAFIN'i HERY-30Millions t@ PROPAGANDINY..

[1] http://www.rfi.fr/afrique/20131021-presidentielle-malgache-rajoelina-ravalomanana-robinson-rajaonarimpinina
Enfin, grâce à son trésor de guerre de quelque 43 millions de dollars, considéré comme le budget de campagne le plus élevé...

[2] http://www.midi-madagasikara.mg/economie/2014/01/15/flash-eco-10/
# Le montant des dettes à rembourser par Madagascar dans le cadre de ses accords de prêts avec les bailleurs de fonds s’élèvera  cette année à 217,9 milliards ariary dont 164,9 milliards ariary en principal et 53 milliards ariary en intérêt.

No comments:

Post a Comment